France : 53% amin’ny mponina no manaiky ny fanaovam-baksiny ireo latsaky ny 12 taona
53% ny Français no manaiky ny fanaovam-baksiny ireo zaza latsaky ny 12 taona raha ny fanadihadiana nataon’ny BVA. 63% ireo ry aman-dreny kosa no tsy manaiky izany raha ny fanazavana. Marihina fa io salan-taona io ihany no mbola tsy voakasiky ny fanaovam-baksiny ao France hatreto.
Nanambara ny ministry ny fanabeazam-pirenena Jean-Michel Blanquer fa tsy terena ny fampiasana ny «pass sanitaire» any amin’ny toeram-pianarana na ho an’ny mpianatra na ho an’ny mpampianatra. Ny 67% amin’ny mponina nefa dia nandany ny fanaovam-baksiny ireo mpampianatra araka io fanadihadiana nataon’ny BVA io ihany.
