France : Mpamboly maherin’ny 90 voasambotra nandritra ny fihetsiketsehana tao Bruxelles
Mitohy hatrany ny hetsika fanakanan-dalana ataon’ireo tantsaha mpamboly any France. Hatramin’ny omaly, nisy ny fisamborana ireo mpanao fanakanan-dalana, nataon’ny mpitandro filaminana any an-toerana. Olona maherin’ny 90 no efa voasambotra tao amin’ny tsenan’i Rungis, Bruxelles. Manoloana ny zava-misy any an-toerana, nisy ny fikaonan-daoha nataon’ireo tomponandraiki-panjana sy vaomiera, entina hampitoniana sy hamahana ny fangatahan’ireo mpamboly ireo.
