Maurice : Arahi-maso akaiky ny fandaniam-bolan’ireo minisitra sy ny mpiasam-panjakana
Ho arahi-maso akaiky ny fivezivezena sy ny fandaniam-bolan’ireo minisitra sy ny mpiasam-panjakana ao amin’ny nosy Maurice. Marihina efa ny 28 jolay teo dia efa nisy ny fepetra noraisin’ny fanjakana handrindrana ny fandehanana sy ny fandanian’izy ireo ivelan’ny nosy.
Tsy maintsy manamarina ny fandaniana rehetra mandritra ny iraka ataony any ivelany ireo mpanao politika sy ny mpiasam-panjakana raha ny fanazavana. Tsy maintsy hankatoavin’ny tompon’andraikitry ny PMO (Prime Minister’s Office) na ny fitondram-panjakana ihany koa ny dia izay ataon’izy ireo ary tsy maintsy voamarina hatramin’ny roupie iray mivoaka.
Mikendry ny fampiroboroboana ny ny fitantanana ara-bola mahomby sy ny fandraisana andraikitra bebe kokoa mba hampitombo ny mangarahara no anton’ireo fanampahan-kevitra ireo raha ny fanamafisan’ny tompon’andraikitra.
