Tsidika

CNaPS : nahazo Tale jeneraly vaovao

Araka ny tapaka nandritran’ny Filan-kevitry ny Minisitra dia nahazo Tale jeneraly vaovao ny CNaPS. Araka ny tatitra hatrany  dia Andriamatoa Rahaingonjatovo no voatendry ho Tale Jeneraly hitantana ny orinasa CNaPS manomboka izao. Raha tsiahivina dia volana vitsy izay no nikorontana  sy nitokona ireo mpiasa tao amin’ity orinasa ity nohon’ny fisamborana ny Tale jeneraly teo aloha.

“ Natolotra nandritra ny Filan-kevitry ny Minisitra ny filoha vaovao hitarika ny CNaPS. Antenaina fa hitondra fitoniana sy filaminana  eto amin’ny orinasa ny fahatongavany. Noho ity fanapahan-kevitra ity dia ho fantatra tsy ho ela ny mahakasika ny fitohizan’ny asa teo aloha ato amin’ny CNaPS.” Hoy ny tompon’andraikitra ao amin’ny CNaPS

“ Volana vitsy izay no efa nampikorontana ny CNaPS.  Nikatso niaraka tamin’izay ihany koa ny asa nokarakaraina tety ka voatery mivezivezy sy miandry ny rariny amin’ny fahataperan’ny fitokonana. Mirary indrindra ny hilamin’ny raharaha ety izahay satria maro ireo olom-pirenena no manana raharaha maika ho karakaraina ety kanefa nohon’ny zava-nisy dia tsy maintsy miandry fandaminana vaovao vao afaka mamita ny fikarakarana rehetra.” Hoy i  Angeline manna-draharaha ao amin’ny CNaPS

Ny CNaPS na ny  Caisse Nationale de la Prévoyance Sociale dia sampan-draharaha mandray an-tanana ny fiahiana ara-tsosialy ireo mpiasa amin’ny orinasa miankina sy tsy miakina amin’ny fanjakana. Noho io andraikiny io dia miantraika amin’ny tokantrano maro ny olana nisy teo amin’ny orinasa nadritra izay fotoana nisian’ny fitokonana izay.

Miranto Andriharisoa

Miranto Andriharisoa

Laisser un commentaire