ActualitésTsidika

Ambohimanambola: Nisy ny fanofanana ireo ekipa vaovao ao amin’ny Raoka fako

Nanome fampiofanana ireo ekipa vaovao ao anatin’ny servisy Raoka fako, ny  avy ao amin’ny kaominina Ambohimanambola, ny fiandohan’ny herinandro teo. nampahafantarina nandritra izany ireo fomba fiasa sy teknika tokony hananana ao anatin’ny fanatanterahana ny asa, araka ny voalaza.

“Nofanina ahafantatra ireo fomba fiasa sy ireo toetra tsara hananana ireo ankizy vaovao mandrafitra ny ekipan’ny raoka fako. Mila mahalala ny mpanjifa rehetra sy ny lalana ireo ekipa mba ahafahany manatanteraka ny asa fakana fako aingana” hoy ny avy amin’ireo tomponandraikitra.

“Taorian’ny fizarana ireo tsara ho fantatra dia nandeha nijery teny an-kianja ireo trano mpanjifa rehetra ireo mpaka fako mba hanamora asa. Ao anatin’ny fotoana andrana tokoa ny servisy ho an’ny fokontany Ampahimanga. Na izany aza dia efa miezaka sahady ny tsy amela fako amin’ny mpanjifa » hoy hatrany ny fanazavana.

Ireo toetra ho entina miantsehatra toy ny fahalala-pomba sy ny fahaiza-miaina ary ny fisehoana ivelany, toy ny fandraisana ny mpanjifa amin’ny tsiky no zava-dehibe nampitaina ireo ekipa vaovao ao amin’ny servisy raoka fako, araka ny voalaza hatrany. Nanomboka ny 06 janoary teo moa ny fampiharana ny asa raoka fako, ho an’ny fokontany Ampahimanga.

Laisser un commentaire