ConseilTsidika

Torohevitra: Fomba fitsaboana kibo misy rivotra

Anisan’ny aretina mpahazo olona maro ary matetika mihitsy ny areti-kibo fa indrindra ny hidiran’ny rivotra. Mora sitranina izy io saingy tena manorisory sady tena tsy ahavitana na inona na inona. Maro ny fanafody afaka hampiasaina, azo atao ny mividy any amin’ny toeram-pivarotam-panafody fa azo atao ihany koa ny mampiasa ireo fitsaboana nentim-paharazana maro isan-karazany. Ny fotoana mangatsiaka sy mandrivotra no matetika mampisy io aretina io ary tsy mifidy na zaza na tanora na lehibe fa samy mety hidiran’ny rivotra daholo.

Raha zazakely mbola tsy misakafo no hidiran’ny rivotra dia hosorana menaka atao mafana tsara eo amin’ny faritry ny vavoniny sy ny kibony rehetra ary hampanaovina akanjo mafana izy. Azo atao ihany koa ny manafangaro ilay menaka amin’ny vovoka paraky ka hapetaka eo amin’ny foitrany izany avy eo fonosina lamba mba hafana. Ny zazakely hatramin’ny 2 taona sy tapany dia mbola tsara raha izay no atao amin’izy ireny fa mbola tsy omena zavatra hafa izy.

Raha efa misakafo ka efa mahazaka vinaingitra indray ilay olombelona dia ity fangaro ity no tsotra indrindra ary tena mahomby vetivety. Hafangaro ny vinaingitra 1 na 2 sotro fihinanana sy siramamy izay hanalana ilay marikivy fotsiny, tsy misy fatrany ny siramamy eto, dia izay no hoanina tsikelikely. Tandremana tsy sotroina betsaka indray mandeha izy ity satria mety mahakofona maharary.

Raha tena tsy mety sitrana moa ilay noheverina ho nidiran’ny rivotra dia tsara foana ny manatona mpitsabo.

Manitra R.

Laisser un commentaire