Avaradrano: Miditra amin’ny lalao manasa-dalana ireo fifaninanana ara-panatanjahan-tena eto amin’ny distrika
Mitohy hatrany ny fifaninanana ara-panatanjahan-tena atao eo amin’ny distrika avaradrano. Ho an’ity faran’ny herinandro ity, miditra amin’ny lalao manasa-dalana ny tournoi intercommunal, eo amin’ny taranja baolina kitra sy ny baolina basket.
“Tahaka ny mahazatra, rahampitso sabotsy no hanatanterahana ny lalao manasa-dalana amin’ny taranja basket-ball, eny amin’ny kianja Palais de sport Andralanitra Akamasoa. Hanomboka amin’ny 09ora maraina ny lalao, hifantrehan’ny ekipan’i Talata Volonondry sy Ankadikely ilafy, sokajy vehivavy. Ny ekipan’ny kaominina Alasora sy Ambohimangakely kosa ny amin’ny 11ora, sokajy lehilahy” hoy ireo mpikarakara.
“Eo amin’ny taranja baolina kitra kosa indray. Eny amin’ny kianja Pedro Ambohimangakely no hanatanterahana ny lalao ny alahady 01 oktobra. Hanomboka amin’ny 12ora atoandro ka hiakatra kianja voalohany ny kaominina Alasora sy Ankadikely Ilafy manaraka izay ny lalao hifandonan’ny kaominina Sabotsy Namehana sy Ambohimanambola” hoy hatrany ny fanazavana.
Hiady dia hiady ireo lalao, na eo amin’ny taranja baolina kitra na ny taranja basket-ball. Mpilalao sangany avy any amin’ny kaominina avokoa moa ireo tafakatra amin’ny dingana manasa-dalana ireo. Marihina fa hisolo tena ny distrika amin’ny fifaninanana rezionaly izay mivoaka mpandresy amin’ireo tournoi ireo.
Manitra R.
