Dépêches

Toam’Ketritra : Hanehoana ny tanjaka ara-toekarena ny faritra Atsinanana

29 Septambra, Trano heva miisa 135 no anaovana fampirantiana mandritra ny hetsika ara-toekarena sy ara-barotra « Toam’Ketrika » andiany fahefatra atao ao Toamasina ny 28, 29, 30 septambra 2023. Mandray anjara anatin’izany ireo orinasa lehibe sy mpandraharaha isan-karazany, izay ahitana tanora vao misondrotra amin’ny asa fihariana sy famoronana. Vokatra « made in Toamasina » no aranty sy amidy mandritra izany, izany hoe izay vokatra avy ao Atsinanana.

Laisser un commentaire