Arivonimamo : Zazalahy kely 08 taona novonoina tamin’ny fomba feno habibiana
09 Desambra, 08h45. Zazalahy vao 8 taona monja no nisy namono tamin’ny fomba eno habibiana tany Antambolo Arivonimamo. Hita tao anaty lava-drano efa nisy fofona no nahitana ny razana izay efa maty tao nandritra ny 3 andro. Novonoina mihitsy ity zazalahy ity raha ny fizahana natao tamin’ny razana.
