Ambatondrazaka : Tratra ny mpangala-bary
09 Desambra, 09h00. Lehilahy roa no saron’ny fokonolona nangala-bary sy namaky trano tao Ampasindava fokontany Andilanomby, Manakambahiny Andrefana. Saika niharan’ny fitsaram-bahoaka izy ireo saingy tonga ara-potoana ny mpitandro filaminana naka azy roalahy.
