Dépêches

Ambilobe:| Mpimasy nangalatra moto, nanindrona antsy ny tenany rehefa tra-tehaky ny zandary

12 Fevrier, 12h00. Mpimasy ikohizan’ny olona amin’ny filalaovan’ody no tra-tehaky ny zandary rehefa nangalatra moto ny 11 janoary teo tao Matiakoho Ambilobe. Mody nanao adala izy ary nanindrona antsy ny tenany rehefa tsy nahita irika itsoahana intsony. Naratra mafy izy noho izany ary nentin’ny zandary notsaboina tao amin’ny hopitaly. Miandry ny saziny kosa izy rehefa sitrana soamantsara ary fantatra fa maro ireo mpiray tsikombakomba aminy. Efa manao fanadiadiana kosa ny zandary.

Laisser un commentaire