Sabotsy Namehana : Manampy ny tanora hanana asa ny CFPF Antsofinondry
Vitsy ny asa ankehitry. Mirenireny eran’ny tanàna tsy mahita atao ny ankamroan’ny tanora. Misy fampiofanana arak’asa ho an’ireo te hanangana orinasa na hiasa tena any Antsofinondry Sabotsy Namehana.
« Manampy betsaka ho an’ny tanora eto amin’ny tanàna tokoa ny fisian’ity ivon-toerana eto Antsofinondry ity. Afaka miasa amin’ny sehatra tiany ny tanora tia miketrika. Tsy voatery hiandry tolotr’asa foana na hiandry tolorana asa » hoy ny avy ao amin’ny kaominina Sabotsy Namehana. « Maro ny fiofanana misy eto aminay. Hita ato ny Hay-Fy, ny Zaridaina, ny zaitra sy ny peta-kofehy ary ny informatika. Ao anatin’ny 3 volana monja ny fotoana hamehezana izany » hoy ny tompon’andraikitra ao amin’ny CFPF Antsofinondry.
« Misy tanora mianatra, ka rehefa miasa dia tsy mifanaraka amin’ny diplaoma akory. Tsy vitsy ihany koa ireo tanora tsy manana diplaoma loatra. Tsy mifidy diplaoma ny fahombiazana. Mila fantarina ny talenta sy ny tontolo tiana. Trandrahina io avy eo » hoy i Sendra, mpandraharaha. Mety amin’ny tanora tokoa ny ivon-toeram-piofanana tahaka izao. Eny fa na dia misy sarany aza. Ny zavatra azo maimaimpoana ihany koa moa tsy dia asian’ny olona lanjany loatra.
Nicole Rafalimananjara
