ActualitésTsidika

Ambatolampy : Nahazo fanomezana ireo ankizy kamboty

Tonga nitsidika ireo zaza kamboty taizana ao amin’ny Ankany Ambatolampy ny avy ao amin’ny Commissariat Central Antananarivo Renivohitra. Nizara fanomezana sy nizara hafaliana tamin’ireo ankizy kamboty izy ireo.

« Vary milanja 1 taonina sy sakafo isan-karazany no nentinay. Tsy adino ny vatomamy sy akanjo, baiboly sy fihirana ihany koa ho an’ny fiainana andavan’andro » hoy ireto Polisy ireto. « Misaotra indrindra tamin’ny tolotra. Manome toky izahay fa ho hendry sy hianatra tsara ihany koa ho setrin’izany » hoy ny solontenan’ireto ankizy kamboty ireto. « Tsara raha atao fanao ny manohana ny ankizy tahaka izao. Tsy sanatria mandalo fotsiny na rehefa mazoto ihany. Mila antsika ny ankizy kamboty » hoy ny lehiben’ny kaomisaria ao Antananarivo Renivohitra, ny commissaire Andrianalison Hami.

Mila antsika mpiray tanindrazana tokoa ny zaza kamboty. Izy ireny izay miandrandra fanampiana hatrany satria tsy manana ny ampy.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire