CAV Madagascar : Fampianarana ampitain-davitra
Manaraka ny fivoarana ihany koa ny fianarana ankehitriny. « Plateforme 100% en ligne » ny CAV Madagascar. Misehatra eo amin’ny fanomanana ireo fifaninanana hiditra ho mpiasam-panjakana toy ny ENMG, ENAM, ENSP, ACMIL, EGN, INFA izany. Zohina amin’ny Internet ny fampianarana rehetra sy ny dingana arahina. Mpampianatra efa manana traikefa eo amin’ny sehatra misy azy no mizara fahalalana amin’izany. Mirakitra lesona, fanazavana, fanazarana ary « bibliothèque virtuelle » (trano famakiam-boky ampitain-davitra) ny CAV Madagascar, ary azo hidirana 24h/24h ary 7j/7.
“Natao hanamaivanana ireo mpifaninana izay miasa na ihany koa mipetraka amin’ny toerana alavitra ka tsy afaka anatrika fampianarana mivantana ny « cours en ligne » atolotry ny CAV Madagascar” araka ny loharanom-baovao. Afaka samy mandridra sy mandamina ny fotoanany avy amin’ny fianarany ny tsirairay. Ny afahan’ny rehetra manomana am-pilaminana sy am-pitoniana ny fifaninana izay atrehany no tanjon’ny CAV Madagascar ao anatin’ity ezaka ity.
Hasina Rasamimanana
