Kianjan’I Morondava, 80% ny asa no vita
29 Jona, 08h55. Efa manakaiky ny fahavitan’ny kianja manara-penitra ao Morondava. Efa-bolana eo sisa no vinavinaina anatanterahana izany. Nanambara ny Minisitry ny tanora sy ny fanatanjahan-tena Roberto Tinoke fa mandroso ara-dalàna ny asa fanamboarana ny kianja. Mahazaka olona 4 000 izany amin’izao ary ahitana efitra efatra ho an’ny mpitsara sy ny mpilalao, ary toeram-pidiovana efatra ho an’ny lahy sy ny vavy. Afa-po tamin’ny asa efa vita ny tenay ary efa mitady toerana hieritreretana anaovana ny kianja mitafo ao Morondava na “gymnase couvert” sahady.
