Misokatra ny sehatra ho an’ny mpanakanto
29 Jona, 08h15. Nanao fanambarana fampiharana ny ministeran’ny serasera sy ny kolotsaina fa azo atao ny manao fampisehoana ara-java-kanto. Efa azo atao anaty efitra ihany koa izany ary tsy voafetra intsony isan’ny mpijery ankoatra an’ny distrikan’ny Antananarivo Renivohitra, Avaradrano, Atsimondrano, Ambohidratrimo, Ambatondrazaka ary Fianarantsoa I. Amin’ireo distrika voatanisany ireo izany dia mbola voahaja ilay isa 400 ary tsy mbola misokatra ireo ali-pandihizana. Ho an’ny rehetra kosa dia manao ny aro vava orona hatrany.
