Dépêches

Tsy mbola hafa-po ireo PAT

29 jona, 08h00. Mitohy indray ny fikomiana ataon’ny mpikambana ao amin’ny mpiasa ara-pitantanana sy ara-teknikan’ny oniversite na ny “membres du personnels administratifs et techniques des universtés” ao Mahajanga sy Antsiranana. Na dia efa azo aza ny karaman’izy ireo efa-bolana dia tsy mbola niverina nias aizy ireo. Araka ny nambarany dia tsy hanatanteraka izany mihitsy izy raha tsy voavaly avokoa ny hetaheta sy ny fangatahany. Ny ao Antsiranana izao mitaky ny karama ny volana farany teo amin’ny minisitra vao mikasa hanoy ny asa indray ary torak’izay ihany koa ny ao Mahajanga izay mbola mangataka hatrany ny ahazoana « prime technique ».

Laisser un commentaire