SocialTsidika

Nodorana ireo rongony 345 kilao tany Betroka

Malaza indray tato ato ny fahatratrarana rongony ary avy eo dorana. Isan’ny tena anton’ny tsy fandriam-pahalemana tokoa mantsy ny fandraisana ny rongony izay hahavitana hetsika tsy manara-dalàna mihitsy. Rongony miisa 23 gony, milanja 345 kilao, no saron’n Zandary avy amin’ny Compagnie Betroka tao Ampandrana Fokontany Ankaroka kominina Ambanivohitra Ianabinda ny faran’ny herin’andro lasa teo tao an-toerana.

Nodorana teny amin’ny Garan-dropilanina ireo Rongony milanja 345 kilao. Izao no tena fotoana mampirongatra ny fanondrana ireto zava-mahadomelina ireto aty Betroka hoy ny Komandin’ny vondro-tobin’ny Zandarimariam-pirenena any Betroka. Efa tsara homana ihany koa izy ireo amin’ny fikarohana ny fandikan-dalàna mikasika ny fanondrana Rongony ho fampanjakana ny fandriampahalemana aty amin’ny Disitrikan’i Betroka. Teo anatrehan’ireo manam-pahefana rehetra voakasika izany tany an-toerana no nandorana azy, raha ny voalazan’ny nanatri-maso.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire