ActualitésTsidika

Fitsidihana ofisialy nataon’ny masoivohon’i Suisse

Betsaka ny afa-po nandritra ny hetsika nataon’ny mpitandro filaminana tamin’ny 26 jona iny. Ny seho ataon’ny zandary sy ny miaramila ary ny polisy no tena mahafinaritra ahy mandritra ny fetim-pirenena hoy ny olona iray nanatrika ny matso teny Mahamasina.

Tonga nanao fitsidiham-piaraha-miasa tao amin’ny jeneraly Richard Ravalomanana, Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimaria tao amin’ny birao fiasany tao Betongolo omaly 28 jona 2021 tamin’ny 10 ora maraina i Chasper Sarott, Masoivohon’ny firenena Suisse miasa sy monina eto Madagasikara. Teo am-piandohan’ny dinidinika dia niarahaba ny Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimaria ny tenany tamin’ny fahatomombanan’ny hetsika ara-miaramila izay natao nandritra ny fankalazana ny faha 61 taonan’ny nahazoana ny fahaleovan-tena.

Tetsy an-kilany, ny Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimaria dia nampahafantatra sy nanazavazava ny asa aman’andraikitry ny Zandarimaria eto amin’ny tany sy ny firenena. Nanontany manokana ny zavatra rehetra mety azo hanampiana ara-tsosialy ity masoivoho amin’ny maha firenena mijery manokana ny lafiny ara-tsosialy ny firenena Suisse. Ny Akany Zandarimaria any Arivonimamo (Centre de l’Orphélinat) no nampahafantarina sy isan’ny nifampidinihan’ny roa tonta tamin’izany. Nisy ihany koa ny fifanolorana maro-pahatsiarovana ary eo am-pamaranana ny fitsidihana àry dia nisy ny fifanomezan-toky amin’ny fanatsarana sy ny fanavaozana ny fifandraisana arak’asa eo anivon’ny Zandarimaria sy ny firenena Suisse izay efa nisy hatrizay.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire