ActualitésTsidika

Ambohimanambola : Hisy ny fivoriana hamahana ny olan’ny rano

Hisy ny fivoriana ho ataon’ny sampana misahana ny rano ao amin’ny kaominina Ambohimanambola amin’ny 18 jona 2022 amin’ny 2 ora tolakandro. Hanasana ny rehetra manana soso-kevitra sy fitarainana mikasika ny rano ho tonga amin’izany ao amin’ny lycée taloha Ambohimanambola.

« Nisy feo mandeha teo amin’ny kaominina fa hiakatra ny vidin’ny rano. Ny vidin’ny rano eto anefa efa lafo raha mitaha amin’ny kaominina hafa. Saingy miandry ny fankatoavana avy amin’ny kaominina ny fiakaran’izy io. Tsara raha mandray vahaolana ny tompon’andraikitra » hoy i Fanomezana, mponina ao Ambohimanambola. « Hiresaka mikasika ny rano fisotro mihitsy isika amin’io, miaraka amin’ireo tompon’andraikitra mikasika ny vidin-drano. Tsara raha tonga amin’io fivoriana io ny rehetra satria iaraha-misalahy ny fampandrosoana ny tanàna » hoy ny avy ao amin’ny kaominina Ambohimanambola.

Ireo manana olana mikasika ny rano ihany koa, na ireo manana fanontaniana manodidina izany, dia tokony ho tonga. Ny fahatongavantsika amin’io fotoana io tokoa dia midika ho fanatsarana sahady ny fisitrahana ny rano fisotro madio.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire