France : Lehilahy iray nanatsatoka antsy ny tendany tao Toulouse
Lehilahy iray, 51 taona eo no nanatrobaka ny tendany tamin’ny antsy, manoloana ireo mpitondra marary tany Toulouse, ny alin’ny alarobia hifoha alakamisy teo. Niboridana tanteraka ity lehilahy ity, ary nanatsatoka antsy ny tendany teo imason’ireo mpitsabo roa. Tsy tana anefa ny ainy na teo aza ny famonjena azy nataon’ireo sampana mpamonjy voina. Araka ny fanazavana, tamin’ny fotoana nandalovan’ny sampana mpamonjy voina tao amin’ny Avenue Campel, dia nifanena tamin’ity lehilahy iray ity tsy niakanjo izy ireo. Ity farany izany nirenireny teny an’arabe ary feno ratra ny vatany. Rehefa nohantonina anefa ity lehilahy ity dia nandrahona sy nanambana antsy ireo mpitsabo roa avy amin’ny sampana mpamonjy voina ihany.
Rehefa nanao ny fanadihadiana ireo tomponandraikitra ka nisava ny tranon’ity lehilahy ity, dia nahitana dian-dra ny tao an-tranony. Naratra izy mialohan’ny nivoahany ny trano. Feno dian-dra avokoa ny famonoan-jiro, ny rindrina, ny tany ary ireo fitaratra raha ny fanazavana hatrany. Mbola mitohy moa ny fanadihadiana momba ity raharaha ity.
