Ady eo amin’ny Israel-Hamas : Manomana ny hamindra toerana ireo vahoaka ny tafika Israelianina
Manomana ny fifindran-toeran’ireo vahoaka ireo tafika Israelianina, amin’izao fotoana. Mety hisy ny fanafihana izay ahazo an’i Rafah, ka izay no antony tsy maintsy handraisan’ny manam-pahefana izany fanapahan-kevitra izany. Vahoaka manodidina ny 1,5 tapitrisa no afindra ao anatin’izany. Firenena maro maneran-tany, ao anatin’izany i Etats-unis, izay mpiara-dia akaiky amin’i Israël ao anatin’izao ady izao, sy ireo fikambanana miaro ny zon’olombelona no manameloka izao tranga izao any an-toerana, satria hiteraka zava-doza ho an’ireo vahoaka ny fialana ao amin’ny taniny indray. Ireto farany izay efa hianjadian’ny vokatry ny fanafihana, ny tebitebin-tsaina ary amin’izao fotoana dia mananontanona ireto vahoaka ihany koa ny mosary.
