Etats-Unis : Dean Koontz, mpanoratra naminany ny covid-19
Mpanoratra teraka ny 9 jolay 1945 tao Everett, Pennsylvanie i Dean Koontz. Nanoratra boky nitondra ny lohateny hoe « The Eyes of Darkness » izy tany amin’ny taona 1981 izay mirakitra tantaran’ny tsimok’aretina iray tena mitovy amin’ny Covid-19 amin’izao fotoana.
Heverina fa namonavina ny Covid-19 io boky io. Ao amin’ny tantara dia « Wuhan-400 » no anaran’ny tsimok’aretina izany manana toetoetra toy ny Covid-19 mihitsy.Maro ireo liana tamin’izany tantara izany ka namaky ny boky. Hitan’izy ireo tao anatin’izany fa tao Chine ihany koa ny niandohan’ilay aretina ary niparitaka eran’izao tontolo izao. Nofaritan’ny mpanoratra ho « fitaovam-piadiana biolojika » noforonin’ireo mpahay siansa tao amin’ny laboratoara miaramilan’i Chine izany ao amin’ny boky.
