SocialTatitra

Nouvelle-Guinée:  Olona telo farafahakeliny maty vokatry ny fihotsahan-tany tao Papouasie

Tanàna maherin’ny enina, mitoetra any akaikin’ny tendrombohitra, any Papouasie, Nouvelle-Guinée no lasibatry ny fihotsahan-tany, tamin’ny faran’ny herinandro teo. Raha ny tatitry ny tomponandraikitra, dia olona telo no namoy ny ainy tao anatin’izany. Ahiana mbola hitombo izany isa izany raha ny fiantraikan’ny zava-misy any an-toerana. Ny alin’ny alakamisy, hifoha ny zoma no niseho ity loza ity. Izany moa dia heverina ho loza voajanahary, ka tsy nisy ny fanomanana na fiomanana tamin’ny tampoka. Ankoatra ireo olona namoy ny ainy dia nanimba zavatra maro tao Enga, toerana nitrangan’izany, ity loza voajanahary ity. Maro ireo koa ireo naratra ary ny polisy sy ny sampana mpamonjy voina any an-toerana no nandray an-tanana azy ireo. Mbola nitohy hatramin’ny faran’ny herinandro iny ny fikarohana ireo olona voatsindry any ambanin’ny vato sy voatototry ny fianjerana.

Laisser un commentaire