Ankadikely Ilafy : Nozaraina jiro tamin’ny alalan’ny tetikasa «Hazavana ho anao » ny mponina
Nahazo anjara tamin’ny tetik’asa « hazavana ho anao » ny mponina ao amin’ny kaominina Ankadikely Ilafy. Nanomboka tamin’ny herinandro teo ny fizarana ireo jiro ho an’ny mponina tao an-toerana. Ny andiany voalohany izany, arak any voalaza.
“Ny andiany voalohany tamin’ny fizarana ny hazavana ho anao eto amin’ny kaominina no notanterahana tamin’ity fotoana ity. efa nampiasaina tamin’izao fotoana izao ihany koa ny karinem-pokontany biometrika” hoy ireo tomponandraikitra avy amin’ny kaominina.
“Tsara ny mampatsiahy fa amin’ny alalan’ity karine ity no ahafahana misitraka ara-drariny ireo fiahiana ara-tsosialy rehetra avy amin’ny fitondram-panjakana. Mpisitraka 3.500 moano nahazo ny hazavana tamin’ity fanombohana ity” hoy hatrany ny fanazavana.
Ny kaominina Ankadikely moa dia anisan’ny manao ezaka hatrany amin’ny fampisitrahana ny vahoaka ireo tetikasan’ny fitondram-panjakana, indrindra ny ara-tsosialy.