Tsy dia mahazatra ny bus sy ny taxi ny mandefa clignotant
Ao anatin’ny fitsipika mifehy ny fifamoivoizana ny fampiasana ny jiro manjelatra (clignotant) rehefa mitondra fiara. Tena misy lanjany lehibe izany ho an’ireo mpampiasa lalana, indrindrindra mpitondra fiara na ny mpitondra tongotro. Ny zavatra tsikatritra anefa, tsy dia mahazatra ny taxi (fiara-karetsaka) sy ny fiara fitateram-bahoaka ny mandefa azy ireny.
Nahoana no mampiasa ny jiro manjelanjelatra (clignotant)?
Misy fampiasana azy ny clignotant ary misy ny fitsipika sy sazy mifanaraka amin’ny fampiharana na fandefasana izany.
Ny fandefasana ny clignotant dia famantarana ny fiovana, izany hoe hiova lalana ilay mpamily na hijanona. Ny anjara asany ihany koa dia ny fampitandremana ny mpampiasa hafa.
Araka ny voalazan’i Vinci Autoroutes, mpamily eoropeanina, mpamily iray amin’ny roa no manadino izany alohan’ny hisongona na hanova ny lalana. Noho izany, apetraho ny famantarana ary mitondra fiara soa aman-tsara, araka ny tokony ho izy ho firindran’ny fifamoivoizana!
Manitra R.
