France : Nametraka fitoriana ho an’i Facebook ny Reporters Sans Frontières
Nitory ny tambazotran-tserasera Facebook ny ONG Reportes sans frontiers (RSF) ny talata 23 martsa. Ny fisian’ny doka varotra mamitaka sy ieo fanehoan-kevitra miendika fankahalana fa indrindra ny fampahalalana diso ho an’ireo mpampiasa io tambazotran-tserasera io no tena hanamelohan’ny RSF an’i Facebook. Natolotra ny mpampanoa lalàna ao amin’ny repoblika ao Paris, ny alatsinainy teo ity fitarainana ity hoy ny RSF tamin’ny fanambarana iray nataon’izy ireo. Mikendry ny Facebook ao France sy ao Irlande indrindra io fitarainana io hoy ny AFP. Anisan’ny historian’ny RSF azy ireo indrindra ny fanehoan-kevitra hamonoana mpanao gzety iray tao amin’ny Charlie Hebdo na ihany koa ny famoahana horonan-tsary “Hold Up” mampivohitra firaisana tsikombakomba. Efa maro ny fitarainana mahakasika ny tambazotran-tserasera isan-karazany tato anatin’ny volana vitsivitsy izay tao France. Tafiditra indrindra ao anatin’izany Facebook, Instagram ary ny Twitter. Saika nitovitovy avokoa ny antony hiampangana azy ireo.
