SportTatitra

Etats-Unis : Nodimandry i Elgin Baylor, mpilalao tao amin’ny vondrona Lakers

Nodimandry ny alatsinainy 22 martsa teo amin’ny faha-86 taonany ilay kalazan’ny baskety, Elgin Byalor. Nandray anjara tamina lalao famaranana valo teo anelanelan’ny taona 1958 sy 1971 teo ambanin’ny lokon’ny Los Angeles Lakers izy. Tsy mbola nandresy mihitsy anefa ny ekipan’izy ireo tao anatin’izany. Teo anatrehan’ny vadiny Elaine, sy ny zanany vavy, Krystal, no namerenany ny ainy farany hoy ny Franchise de Los angeles izay nampita ny vaovao. Ny taona 1958 izy no nofidian’ny Lakers hilalao tao aminy raha mbola tany Minneapolis no nisy azy ireo. Maro ny zavatra niainany nandritra ny fotoana nilalaovany tao amin’io vondrona io. Taorian’ny asa maha mpilalao azy kosa, niditra ho mpanazatra ny Jazz New Orleans i Baylor nanomboka tamin’ny 1974 ka hatramin’ny 1974 izy. Ny taona 1986 kosa no nidirany ny klioba mpifaninana tamin’ny Los Angeles Clippers tamin’ny taona 1986, amin’ny maha-filoha lefitry ny basikety azy. Nijanona tao izy mandra-pisotroany ronono, ny taona 2008. https://www.youtube.com/watch?v=3HECKOuxdHE

Laisser un commentaire