Brésil : Nisehoana oram-be nandoza tao Petropolis
Tsy latsaky ny 94 ny isan’ny olona maty, ary manodidina ny 35 isan’ny olona tsy hita noho ny fihotsahan-tany sy ny tondra-drano nateraky ny oram-be tao amin’ny tànanan’i Petropolis tsy lavitr’i Rio de Janeiro. Tsy nitsaha-niakatra izany taha izany hatramin’ny alarobia teo, izay andro nisehoan’ny rotsak’orana nahery vaika indrindra hatramin’ny taona 1932.Lasa ranom-potaka avoka ny làlana sy ny tanimbary, trano maromaro ihany koa no rava ary fiara samihafa no nentin’ny rano. Olona 24 no fantatra fa avotra soa aman-tsara tamin’ireo loza ireo ary mbola manohy ny fikarohana sy ny fanavotana kosa ireo tompon’andrikitra isan-tsokajiny.
