Alasora: Nitrangana lozam-pifamoivoizana namoizana ain’olona
Nitrangana lozam-pifamoivoizana mahatsiravina teny amin’ny bypass sapanana Alasora, tamin’ny faran’ny herinandro teo. Kamiao lehibe iray mpitatitra tany no voalaza nandeha mafy, ka nandona andrin-jiro sy olona miisa telo.
“Nisy olona efatra izahay no niandry bus teto amin’ny domaine. Nandritra ny nitrangan’ny loza izaho afaka saingy ilay teo akaikiko no voa mafy ary misy lehilahy iray no tery tao ambany kamiao” hoy I Nomena, nanatri-maso.
“Mampalahelo no zava-mitranga tahaka izao, ny tsy manatsiny no mizaka ny fahoriana. Tena mila fandraisana fepetra entitra avy amin’ny tomponandraikitra isan-tsokajiny ny mahakasika ny lalana, izay ratsy, ny mahakasika ireo fiara lehibe mivezivezy eo amin’io toerana io izay tokony hanao fitsirihana ara-teknika” hoy I Charles, mponina ao Alasora.
Tomponandraikitra ny tsirairay amin’ny fisorohana ny loza tahaka izao. Ary ilàna fanentanana izany, manomboka amin’ireo mpampiasa ny lalana sy ny olon-tsotra. Manomboka amin’ny fijerena ny mahakasika ny lalana izany ka hatrany amin’ny fandehanana mafy ataon’ireo mpamily, indrindra ny fampiharana ny lalàna mifehy ny fampiasana lalana eto amintsika.
Manitra R.
