Afrique : Sakafo tena Afrikanina ny « Alloco »
Sakafo nentim-paharazana avy ao Afrique andrefana sy Afrique afovoany ny « alloco », « aloco », « aloko » na « loco ». Côte d’ivoire, Bénin, Togo, Ghana ary Congo no tena ahitana azy. Akondro fahandro na « banane plantain » no akora fototra ampiasaina amin’ny fikarakarana ity sakafo ity.Tsotra dia tsotra ny fahandro azy, endasina amin’ny menaka io akondro io ary hoanina miaraka amin’ny trondro endasina raha fomba nentin-drazana. Taty aoriana kosa izy vao nohanina niaraka tamin’ny hena na atody. Ao Côte d’ivoire dia menaka « palme » ihany no tena fanendasana azy, azo atao mena-boanjo, « colza » na « tournesol » ihany koa nefa izany.Hita amin’ny toerana maro eto Madagasikara ny « alloco ». Ireo mponina any amin’ny morontsiraka no tena mahandro sy mamarotra azy.
