ActualitésTatitra

Bolivie : Raketa tsy mitovy endrika amin’ny eto Madagasikara ny « echinopsis lageniformis »

Karazana raketa mijoro mahitsy (colonnaire) miroborobo haingana any amin’ny tany hefitr’i Bolivie ny echinopsis lageniformis, antsoina koa hoe « torche bolivienne ».Antsoin’ireo mponina tompon-tany ao an-toerana ihany koa io zava-maniry io hoe « achuma » na « wachuma » na dia anarana fiantso karazana raketa hafa toy ny « echinopsis pachanoi » ihany koa izany.

Miloko maintso manopy manga ny echinopsis lageniformis, ary mety misy zorony efatra hatramin’ny valo. Mety mahatratra 2 hatramin’ny 5 metatra kosa ny haavony, ary mety mahatratra hatramin’ny 15 na 20 santimetatra ny savaivony. Misy tsilo goavana mirefy 6 hatramin’ny 7 sanimetatra izy izay mivondrona tsiefatrefatra farafahabetsany eny amin’ny fiketronan’ilay raketa.

Laisser un commentaire