Alasora : Eo amin’ny lalao manasa-dalana ny fiadiana ny amboaran’ny bnen’y tanàna 2022
Hotontosaina ny alahady 07 aogositra ny lalao manasa-dalana ho fiadiana ny amboaran’ny ben’ny tanàna ao amin’ny kaominina Alasora. Ao amin’ny kianja Ambohimarina no hantanterahana izany.
« Hisy ny lalao sokajy lahy sy vavy. Hanomboka amin’ny 10 ora maraina ny lalao » hoy ny mpikarakara. « Tsara raha tonga aloha avokoa ireo mpilalao rehetra. Eo ihany koa ny fitondran’ny ekipa tsirairay ny baolina holalaovina » hoy hatrany izy ireo.
Miantso ny mponina rehetra hanohana ireto mpilalao ireto ny kaominina amin’ny alalan’ny fanotronana azy ireo. Miezaka hatrany mampiroborobo ny fanatanjahantena ny tompon’andraikitra ao Alasora.
Nicole Rafalimananjara
