Nahafa-po ny maro ny « Rallye du Boeny »
Anisan’ny hetsika nanintona ny mpiala sasatra any Mahajanga ny lalao hazakazakam-piarakodia « rallye du Boeny ». Nandritra ny 03 andro, ny 12,13 ary 14 aogositra ny hetsika, izay ahitana mpifaninana miisa 33.
Tonga nanome ny « top départ » ireo fiarakodia mpifaninana tamin’izany ny filohan’ny Delegasiona Manokana teo amin’ny tobin-tsolika Jovenna teo Amborovy. « Namakivaky ny lalan’Antsanitia ireo mpilalao nandritra izay 3 andro izayary teo amin’ny Bord de la mer kosa nahitana ny toeram-pijanonana na ny « parking » ho an’ireo fiara ireo » hoy ny mpikarakara. « Nahatsiaro tsy maty antoka mihitsy izahay nakaty Mahajanga satria sady nahazo rivo-dranomasina no nahita fiala-boly nahasarika ny saina, tena afa-po tanteraka ka mazotoa isika mitsidika an’i Mahajanga » hoy i Prosper, mpiala sasatra hita tany Mahajanga avy aty Antananarivo. « Mila atao matetika mihitsy ny tahaka izao satria manome sehatra anay mpankafia rallye, no sady hahafahanay mampiseho,ny talenta » hoy i Mika, isan’y mpandray anjara tamin’ny fifaninana.
Ny fahafantarana ny sehatra tian’ny vahoaka no tena iandrasana amin’ireo mpikarakara hetsika. Betsaka izao no faly tamin’ity rallye ity na dia ireo mpitazana fotsiny ihany aza.
Nicole Rafalimananjara
