PolitiqueTatitra

Afghanistan : Eo am-pelan-tànan’ny Taliban sahady i Afghanistan

Eo am-pelan-tànan’ny Taliban indray i Afghanistan manoloana ny faharavan’ny fiitondram-panjakana ao an-toerana sy ny fitsoahan’ny filoha Ashraf Ghani. Niaiky ny fandresen’ny Taliban izy rehefa niezaka nanohitra azy ireo tao anatin’ny 20 taona.

« Naharesy ny Taliban » hoy ny filoha ny alahady alohan’ny nitsoahany tao Tadjikistan. Ireo mpikomy kosa nankalaza ny fandresen’ny tafikany noho ny fahavitany nanala ny filoham-pirenena tao amin’ny lapa-panjakan’i Kaboul. Mifanesika hivoaka ny firenena kosa ireo teratany vahiny ao an-toerana amin’izao fotoana.

Laisser un commentaire