Algérie : Namaritra ny daty hanaovana fifidianana parlemantera ny filoham-pirenena Tebboune.
Notazomin’ny filoham-pirenena ao Algerie, Tebboune Abdelmadjiid ny datin’ny 12 jiona hanaovana fififidianana parlemantera mialoha. Nandritra ny filazana navoakany ny alakamisy 11 martsa 2021 no nampahafantarina ny vahoaka izany. Fanapahan-kevitra natao taorian’ny fandravana parlemanta. Tanjon’ny fitondram-panjakana any an-toerana ny hanafainganana ny asa tokony ataon’ny parlemanta vaovao, ary hampandrosoana haingana ny firenena. Nanamafy ity filoha ity fa hatao mialoha mihitsy izany. Araka ny lalàna misy any an-toerana moa, efa nanatanteraka fiantsoana mpifidy amin’ny fifidianana mpanao lalàna amin’io daty voatondro io ny filoha.
