SocialTatitra

Etats-Unis : Nanao Sonia ny drafitra fanarenana i Joe Biden.

Nanao sonia ny drafitra fanarenana ara-toekarena ny filoham-pirenena amerikanina Joe biden ny alakamisy 11 martsa lasa teo. Vola mitentina 1,9 miliara dolara amerikanina moa no nolazainy fa hampiasainy amin’izany. Ora vitsy talohan’ny nandraisany ny fitenenana no nanatanterahany izany fanaovan-tsonia izany. Nandrasan’ny vahoaka amerikanina fatratra ny kabariny mahakasika ny valan’aretina sy ny fanentanana amin’ny fampielezana ny vakisiny. Manohitra izany ny avy amin’ny antoko Repoblikanina, izay manameloka ny “fandaniam-bola mihoa-pampana” hoy izy ireo. Tsy manakana ny antoko demokraty handray io drafitra fampiasam-bola io anefa izany fanoherana izany. « Hiresaka momba ny fitsapana nolalovana rehetra tamin’ny taon-dasa aho, horesahiko koa izay hitranga aorian’izany » hoy ny fanazavan’ ny filoha talohan’io fotoana nanambarany ny drafitra fanarenana ara-toekarena. Nampanantena ny vahoaka izy araka izany amin’ny hiverenany indray anatin’ny firoboroboan’ny fampandrosoana.

Laisser un commentaire