SocialTsidika

Nisy kodiaran-droa nifandona teny Alakamisy Ambohidratrimo

Ny tsy fitandrena sy ny tsy fanajana ny lalàna mifehy ny fifamoivoizana no tena fototra mahatonga ny lozam-pifamoivoizana. Efa manakaiky izao ny fety ka mila mitandrina ny mpamily rehetra satria ny olona mifanaretsaka, ny fiara mitanjozotra, ny kodiaran-droa tsy lazaina intsony. Nisehoana lozam-pifamoivoizana indray manko omlay 23 jona, teo Alakamisy, tamin’ny lalam-pirenena faha-4.

Kodiaran-droa anakiroa no nifandona. Mila fantarina ny lalàna vao mampiasa ny fitaoavana tahaka ireny. Vokany, naratra mafy ny mpamily anakiroa an’izany kodiaran-droa izany. Ilay moto misisika ity no tena nahatonga ny loza hany ka nifandona izyv ireo, ny mpitondra moto amin’izao koa mividy moto kanefa tsy mahalala akory,ny lalàna amin’n fitondrana azy hoy ny olona nanatr-maso. Mila fitandremana mandrakariva ihany isika rehefa mitondra kodiaran-droa satria tsy izay tonga aloha no arabaina fa izay tonga soa.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire