Maurice : Fivoaran’ny Covid-19
Nahitana tranga vaovao miisa enina indray tany Maurice raha ny tatitra natao ny zoma 26 Martsa teo. Raha mpiasa mpitsabo mpanampy ao amin’ny hopitaly Souillac ny iray tamin’ireo tranga vao hita. Izay 239 hatreto ny tranga voarakitra nanomboka ny 5 martsa teo. Mitôtaly 21 kosa ireo sitrana amin’izao ary 218 ireo mbola arahi-maso ny fahasalamany. Marihana fa anaty fihibohana tanteraka ny nosy Maurice amin’izao fotoana izao.
