Egypte : Nitaky onitra amin’i Ever Given
Mitaky onitra 900 tapitrisa dollars i Egypta taorian’ny nibahanan’i Ever_Given, sambo mpitondra containers, ny Canal de Suez efa ho herinandro. Fatiantoka 12 hatramin’ny 15 tapitrisa dollars isan’andro ny an’i Egypta nandritra izany. 6 hatramin’ny 10 miliara dollars kosa ny fatiantoka ho an’ny toekarena eran-tany. Sambo mihoatra ny 400 no tafahitsoka tao. Nogiazana aloha hatreto i Ever_Given mandra-pandoany ilay onitra.
