ActualitésTsidika

RN6 : Asiam-panamboarana ireo bizo nisy nangalatra

Hisy ny fanamboarana ny bizo nangalarin’olona teny amin’ny lalam-pirenena fahaenina. Hanomboka tsy ho ela ny asa, ary hisy ny fanaraha-maso aorian’izay.

« Isan’ny nampihotsaka ny lalana miala an’i Boriziny makany Antsohihy ny fahasimban’ny bizo teny amin’ny lalam-pirenena fahaenina. Nisy nangalatra ny bizo ary nijaly ny mpampiasa lalana indrindra ireo mpitondra fiara vaventy » hoy i Hery, mpampiasa lalana. « Hanomboka tsy ho ela ny fanamboarana an’ity bizo ity. Efa tonga any amin’ny Governoran’ny faritra Sofia ny hafatra mahakasika azy ity » hoy ny Lehiben’ny Distrikan’i Port-Bergé, Najarhoussen Michel.

« Betsaka ny olona mieritreritra fa tsy misy dikany ny fananam-bahoaka. Manimba sy manapotika azy ireny no tena tiany. Ny toe-tsaina no tena mila ovaina voalohany eto amintsika » hoy i Haja, manam-pahaizana mikasika ny fandrosoana lovainjafy. Safidy tokoa ny fandrosoana. Anjarantsika tokoa ny manapa-kevitra manoloana ny fandrosoana. Handroso sa hihemotra ? 

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire