Niger : Mpianatra 20 mahery no maty
Nitrangana hain-trano indray tao Niamey Niger ny Talata 13 aprily 2021 lasa teo. Mpianatra mahery ny 20 eo no maty vokatrin’ny hain-trano. Vetivety ny fiparitahan’ny afo. Araka nambaran’ny kaomanda ny mpamoinjy voina ao Niger tao amin’ny onjam-peom-panjakana ao an-toerana dia haingana ny fahahotohonton’ny afo ny trano noho ilay sekoly vita amin’ny falafa na mololo irony , ka tsy mba afaka nandositra nivoaka ireo mpianatra ka izao nitarika amin’ny fahafatesana marobe izao. Kila may tsy nisy azo noraisina ny fitaovana rehetra tao anatin’izany toy ny boky sy ny seza fipetrahana. Efa maherin’ny 800 ny isan’ny mpianatra ao ka tsy atonona intsony ny trano fianarana ka izao nananganana trano falafa izao aloha atao vonjy maika izay miisa 21 kanefa nampalahelo ny zava-nitranga. Tonga teny an-toerana nizaha ny zava-misy ny Praiminisitra Ouhoumoudou Mahamadou ary nitondra teny fampiononana ho an’ireo ray aman-drenin’ireto mpianatra maty ireto.
