Mitokona ny tantsambo any Mahajanga
Betsaka ny sehatr’asa nahato nadritra ity Covid-19 ity, fiveloman’olona maro no tapaka mandritra izany. Miraintaina ny olona, inona no hohanina ? Ny asa efa natsahatra ? ny aretina tsy mitsitsy ? Nitokona ny mpitatitra amin’ny zotra Nasionaly noho ny fampiatoana ny asan’izy ireo. Mbola hahiana ny fitokanan’ireo mpiantsehatra amin’ny asa hafa. Fa ny Alakamisy 15 aprily indray aloha, nitokona ny sendikan’ny Tantsambo any Mahajanga tamin’ny 9 ora maraina teo teo amin’ny Port Be Mahajanga. Miantso ny filoha Andry Rajoelina izy ireo mba hamela malalaka azy hanao ny asany, indrindra ny mahakasika ny fanokafana ny sehatry ny fanjonoana izy ireo. Nambarany ny avy ao amin’ny Agence Portuaire Maritime et Fluviale APMF fa alefa any amin’ny fanjakana foibe ny hetahetan’ireto Tantsambo ireto. Tsy mifanaraka amin’ny fepetra napetraka ny zava-misy iainan’ny ankamaroan’ny malagasy, ny tsena nahato kanefa io no fivelomana, ny fampianarana nahato kanefa ny fanabeazana efa taraiky, ny aretina anefa miparitaka, ho fatin’ny hanoanana ao an-trano ny olona satria sady tsy afaka mivoaka, ny asa nahato. Inona ny vahaolana ? Aina daholo anefa izany satria raha tsy afaka miasa, tsy manam-bola ary raha tsy misy vola tsy manana amidy sakafo ary dia ho fatin’ny hanoanana ka harefo ny aina dia hiditra ho azy ny aretina.
Nicole Rafalimananjara
