SocialTsidika

Ho aiza indray izany ireo mpivarotra ?

Ezahina ahena ny fifamezivezen’ny olona amin’izao fiadiana ny valan’aretina izao. Nahazo fialan-tsasatra lavalava indray ny eo amin’ny sehatry ny fampianarana, tsy azo atao ny mivorivory maherin’ny zato. Fa isan’ireo tena mampitangorona olona ny tsenabe isan-kerinandro toy ny etsy Mahamasina izay isaka Alakamisy, Isotry isaka Sabotsy, Andravoahangy isakin’ny Alarobia. Nandraisana fepetra anefa izany nandritra ny filan-kevitry ny Ministra ny Alarobia 14 Avrily teo. Tapaka nandritra izany ary fa ajanona daholo ny tsena isan-kerinandro mba hampihenana ny fifamezivezena be loatra. Fa kosa ny tsenam-pokontany no mbola mitohy foana ary izay olona tokony hiantsena hividy izay ilaina an-davanandro ihany no tokony mivoaka ny trano. Tokonny ho tamin’ny 9 ora alina ny « Présidence de la Republique de Madagascar » izay pejy ofisialin’ny Repoblika Malagasy ao amin’ny tambajotran-tserasera Facebook no namoaka izany tatitra izany. Vokany, mbola namelatra tsena anefa ireo mpivarotra teny Mahamasina ny apitson’io izany hoe ny Alakamisy 15 aprily. Nilaza ho tsy nahafantatra ny fanapahan-kevitra tapaka tamin’ny filan-kevitry ny Ministra ny alina talohan’io izy ireo. Ary nanambara ary izy ireo fa ny Kaominina Antananarivo Andrenivohitra no tokony hanapa-kevitra momba izany sy tokony hanao fampafantarana io tatitra mikasika azy ireo io. Somary taraiky ny serasera satria tsy voatery manana fahafahana amin’ny fampitam-baovao daholo ny mpivarotra rehetra. Olona maro ihany koa no mivelona amin’io sehatra io, tsy hivarotra anefa izy ireo, inona no vahaolana natolotra azy ? Ahiana hisy fitarainana indray avy amin’ireo mpivarotra ireo toy niseho tamin’ny zotra nasionaly ny Alatsinainy lasa teo.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire