Mpampianatra tsy miankina : Mangataka fanampiana any amin’ny fanjakana
Mbola tsy afaka manohy ny fianarana aloha ny mpianatra rehetra ankehitriny. Misy asa miato ihany koa anefa mandritra izany. Ankoatran’ny tsy fandrosoana ara-ekonomika eo amin’ireo sehatra maro, misedra olana goavana ihany koa ny mpampianatra amin’ny tsy miankina. Izy ireo izay tsy mandray tambin-karama amin’ny fotoana tahaka izao, izay mitovy amin’ireo mpiasa tsy miankina ihany koa. Milaza izy ireo fa tsy misy mihitsy ny vahaolana ho azy ireo nandritra ireo fotoana nikatonan’ny sekoly na tamin’ny taon-dasa izany na amin’izao fotoana izao. Re amin’ny fanehoan-kevitry izy ireo fa ny mpiasam-panjakana ihany no hataon’ny fitondrana laharam-pahamehana, tsy misy ny fitsinjovana azy ireo amin’ny fotoana tahaka izao. Mety ho antony hitakian’izy ireo ny hamerenana ny fampianarana ihany koa ve izany ? Mangataka ny hanomezana fanampiana azy ireo araka izany. Tsiahivina fa efa nanao fangatahana tahaka izao ihany koa ireto mpanabe avy amin’ny tsy miankina ireto. Tsy handrenesam-peo loatra ny amin’ny mahakasika azy ireo ny minisitera mpiahy azy. Tsy tokony hisy anefa ny mizana tsindrian’ila eo amin’ny sehatry ny fanabeazana satria samy mpanabe avokoa izy ireo. Efa mihatra aman’aina ihany koa ny sedrain’izy ireo amin’ny fiatrehana sy ny fampihodinana ny fiainana andavanandro. Vahaolana toy ny ahoana araka izany no tokony homena ny mpampianatra tsy miankiana ankoatra ny fanampiana ? Mandalo sy tsy mahavita ny fiainaana manontolo mantsy ny karazam-panampiana misy ankehitriny. Ny fotoana tsy hisian’ny aretina intsony ihany koa mbola tsy azo faritana.
Fanilo Rarivoarilala
