SocialTsidika

Vahaolana amin’ny ady eny amin’ny fiaraha-monina.

Tsy zarizary ny fiainan’ny malagasy, tsy vokatry ny Covid-19 ihany akory fa efa teo ny fahantrana nisy taloha ka mandrak’izao. Mila vahaolana maharitra arak’izany mba ho isan’ireo firenena mandroso ka handry fahalemana ny tany. Izay fampandrosoana izay no tanjon’ny Malagasy kanefa mandeha tsikelikely izany. Mizotra makany amin’ny fampandrosoana tokoa ve ny paik’adin’ny fanjakana amin’izao ? Betsaka ny tranga mandripaka ny vahoaka amin’izao izay tena mampiseho ny fahantran’ny malagasy indrindra ny fahantran’ny toe-tsaina. Lehilahy 50 taona eo ho eo no maty novonoin’ny rahalahiny ny sabotsy 13 Martsa 2021, tokony ho tamin’ny 07ora hariva teo, tao Ambalatareta Ambatondrazaka. Notetitetehin’ity zandriny tamin’ny kalaza ny lohan’ilay zokiny raha tsy nahazo izay notadiaviny tamin’io zokiny io izy. Nandriaka ny rà. Maty tsy tra-drano ilay lehilahy ary nahitana dian’antsy valo teo amin’ny tendany sy ny lohany. Efa somary nahazo zava-pisotro mahamamo izy roalahy mpiray tampo ireto. Izay tokoa ve ilay fahantrana ? Taorian’ny lalàna fanomezan-dalana malalaka ny fivarotana toaka gasy, maro ireo tranga vokatry ny fahamamoana, indrindra fa ny resaka fanolanan. Inona no fanapahan-kevitra maharitra tokony ho raisina ? Betsaka ihany koa ny ady hitantsika eny amin’ny fiaraha-monina eny izay mampidi-doza ka indraindray hamoizana ain’olona mihitsy. Iza no tokony hamaha ny olana ? Ny samy vahoaka sa tokony hiditra an-tsehatra ny fanjakana ?

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire