Ambohitromby : Olona roa no nihotsahan’ny tany
Olona 2 mpikarama manarina tany no maty nihotsahan’ny tany teny Mandragobato, fokontany Ambohitromby Alasora. Tonga teny an-toerana ny zandary nijery ny zava-misy ary nanokatra ny fanadihadihana.
« Tonga tety an-toerana ihany koa ny avy eo amin’ny CSB2 Alasora nizaha ny razana, izay nalefa eny amin’ny tranom-paty HJRA. Tsara raha manatona kaominina foana isika manao asa vaventy tahaka izao alohan’ny hanaovana ny asa » hoy ny avy ao amin’ny kaominina Alasora. « I Fenosoa Jean Dayan Pierrot (24 taona) sy i Rakotomandimby Herizo Fidel (16 taona) ireto namoy ny ainy ireto » hoy ny tompon’andraikitra. Samy avy any Sabotsy Namontana Ambatolampy ireto nihotsahan’ny tany irteo.
Tokony hitandrina sy ho mailo hatrany isika mandritry ny fanatanterahana ny asa.
Nicole Rafalimananjara
