PolitiqueTsidika

Nandray fepetra manoloana ny fikasana hamono ny filoha ny MDN

Novorian’ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena Randrianarisoa Fanomezantsoa Rodellys ny alatsinainy maraina teo ireo Lehiben’ny Etamazaoron’ny Tafika sy ireo Lehiben’ny Etamazaoro telo miaraka amin’ireo mpiasa rehetra eo anivon’ny Ministera sy ny Etamazaoro. Notontosaina tao Ampahibe izany ary nirosoana tamin’ny fanomezanm-baiko sy toromarika amin’ny fametrahana ny paikady rehetra hentina miady manoloana ny fikasana hifofo ny ain’ny gilohan’ny Repoblika.

Tsiahivina fa ny tatala tamin’ny herinandro lasa teo no niparitaka fa nisy nikasa hamono ny filoha, efa nanomboka ny fanadihadiana ary efa voasambotra ireo voarohirohy tamin’izany. « Miaro hatrany ny fiandrianam-pirenena sy ny safidim-bahoaka ny foloalindahy ny Tafika » hoy ny minisitra, nanipy teny ho an’ireo miaramila amperin’asa ihany koa izy mba « tsy alaim-panahy hiray petsapetsa amin’ny teti-dratsy toy izany ».

Mbola maro ny olona misalasala amin’ny fahamarinan’ity fikasana hamono ny filoha ity, « ireny ve tsy sinema fotsiny » hoy ny fanehoan-kevitry ny renim-pianakaviana iray. Efa nanamafy kosa nefa ny praiminisitra Ntsay Christian fa « tena nisy io fikasana io… Tsy sarimihetsika iny, resaka aina ary antambo sy loza izany fikasa hamono ny filoha izany ». Inona tokoa izany no tena ambadik’ity raharaha ity ?

Hasina Rasamimanana

Laisser un commentaire