Ady amin’ny homamiadana: miara miasa ny avy amin’ny Fondation Akbaraly sy ny Tafika Malagasy
Efa nandritry ny 4 taona no niarahan’ny Fondation Akbaraly sy ny Etat Major des Armées Malagasy niasa ary nanatanteraka fanavaozan-tsonia indray izy ireo ho fanavaozana ny fiaraha-miasa. Amin‘ity fiaraha-miasa vaovao ity dia ny ady amin’ny homamiadana mpahazo ny vehivavy indray no hiaraha-misalaha toy ny homamiadan’ny nono, sy ny vozon’ny tranon-jaza.
“Mahafaly anay tokoa ity fanavaozan-tsonia ny fifanarahana fiaraha-miasa amin’ny État-Major des Armées Malagasy ity.Anatin’izao fifanarahana izao dia hitondra vahaolana mikasika ny fanentanana sy fisorohana ny homamiadana mpahazo ny vehivavy ho an’ireo vadin’ny miaramila, miaramila vehivavy ary ireo mpiasa sivily vehivavy manerana an’i Madagasikara izahay.” Hoy ny avy amin’ny Fondation.
“Tanjona iraisana ny an’ny roa tonta dia ny hiady amin’ny homamiadana mpahazo ny vehivavy manokana. Izahay eto amin’ny Tafika dia mametraka anjara toerana lehibe ho an’ireo vehivavy ary resy lahatra fa mila fanohanana izy ireo amin’ny ady atao amin’ity aretim-mandoza ity. Vehivavy vadina miaramila sy miaramila ary sivily maro no hisitraka sy ahazo fampahafantarana sy fanentanana mandritra ity fiaraha-miasa ity.” Hoy ny avy amin’ny Tafika
Misy karazany maromaro ny homamiadana mpahazo ny vehivavy fa araka ny ny tatitra dia ny homamiadan’ny nono no laharana voalohany izany hoe 33 isan-jaton’ny vehivavy tratran’ny homamiadana dia homamiadan’ny nono avokoa. Ho an’ny eto Madagasikara ihany koa dia ity karazany ity no anisany homamiadana mahafaty vehivavy betsaka indrindra raha ampitahaina amin’ny karazany hafa. Antony manahirana amin’ny fitsaboana ny homamiadana eto Madagsikara ihany koa ny tsy fahafantarana ny aretina ka efa tranga misy fahasarotany vao hitan’ny mpitsabo.
Miranto Andrih
