Etats-Unis : Afaka manao ny vaksiny ny fatra fahatelo ireo marefo
Nanome alalana ny fanaovam-baksiny Pfizer na Moderna fatra fahatelo ny Etats-unis ny alakamiy teo. Ireo olona marofo hery fiarovana no tena voakasika amin’izany. Anisan’izany ireo miatrika fandidina na ireo taizan’aretina toy ny SIDA na ny homamiadana.
“Miditra ao anaty andiany vaovao amin’ny valan’aretina Covid-19 ny firenena ka mahafantatra ny FDA fa misy ireo olona marofo hery fiarovana no mety ho tratran’ny tranga misy fahasarotana betsaka” hoy i Janet Woodcock kaomisera mpisolo toerana ao amin’ny FDA. Tsy haingam-piasa noho ny amin’ny olona salama ny vaksiny mantsy raha ny fanazavany ka anton’ny tsindrona fahatelo.
